Ny Valosoa Vaovao FB
Ny Valosoa Vaovao
Tolombahoaka - Serasera sy tranonkala
Aloavy ny karamanāny mpiasa! ... TohinyFintinina
- Likes: 7
- Shares: 0
- Comments: 1
1 CommentComment on Facebook
Ny momba ilay filoha rajoelina hoe mampanantena inona ? Fa ianareo koa anie mora ambakaina e!
29/03/2024. Fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947.
Tsara ho fantatra ny tantaranāny hira Ā«Madagasikara TanindrazanayĀ».
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Ny zaza adala ratsy taiza sy tsy mahalala tantara no sahy manaonao foana manova ilay hira, sady efa misy ilay rôrô koa moa ankehitriny ka tsy mahagaga !
8 martsa 2024 ā Ambositra, Ambalavao ā Andro Manerantany ho anāny Vehivavy
Ny Valosoa
Nanamarika ny andro manerantany ho anāny vehivavy ny tao amināny faritanināi Fianarantsoa ny alakamisy 8 martsa 2024. Distrika 18 no nandray anjara tamināizany, nanehoanāireo vehivavy fa ny reny Malagasy dia: Ā« mitandro ny hasināny aina ary mampanjaka ny fahamarinana mba hisianāny fitoniana sy ny soa ho anāny taranaka Ā».
Tamināny taona 1848 tany Etazonia no teraka ny hetsika notarihana vehivavy amerikana roa izay nahasarika olona amanjatony. Ny taona 1975 vao niditra ho andro fankalazana eo anivonāny Firenena Mikambana. Isanāireo mankalaza ny andronāny vehivavy i Madagasikara ary natao ho andro tsy fisianāny vehivavy ny 8 martsa.
Ny andro manerantany ho anāny vehivavy dia nentina hankalazana ireo zavabita ary hanabeazana sy hanamafisana fototra ny fitovianjo eo amināny lahy sy ny vavy.
(sary: Ambositra sy Ambalavao)
www.gvalosoa.net/2024/03/08/8-martsa-2024-ambositra-ambalavao-andro-manerantany-ho-anny-vehivavy/
www.qppstudio.net/public-holidays/madagascar.htm
en.m.wikipedia.org/wiki/International_Women%27s_Day
www.internationalwomensday.com/about#:~:text=Marked%20annually%20on%20March%208th,lobby%20for%20a...
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
08/03/2024
Andro fankalazana ny zonāny vehivavy. Tsy fanaka malemy ny vehivavy fa manan-jo tahaka ny lehilahy. Takio ny zonao!
... TohinyFintinina
7 CommentsComment on Facebook
Rehefa miady bus dia aza miteny an'ilay hoe "LES FEMMES D'ABORD" intsony ary š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£
Ampamanio mitsangana jerena
Vady be menomenona hono mampalaina ny mody an-trano e, méditation.........
Rehefa tsy kizitina sy mila vaniny fotsiny dia mety aminay
Fantaro izay takianao fa aza langalatahaka fotsiny n'y efa an'ny lehilahy kkkk
Zoan'ny vehivavy l resaka kanefa miady hitovy ao am' Lahilahy!!!!?????? kkkkk
Ao fa fanaka mahery zay ko ve de hatao ho olana.ao fa mafy be nareo vevavy.ajanony @ zay le izy@ heritaona
Raharaha Mbola Rajaonah. Ny heloka nataony ve mihoatra ny heloka nataonareo mianakavy ao, nefa ianareo rehetra migalabona tsara? Alefaso lavitra ny saina. Ny ratsy atao loza miantona!Voasazy 2 taona an-tranomaizina indray i Mbola Rajaonah.
Gazetiko
... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Maninona rafanja raha tonga dia atao au poteau mihitsy rehefa zay no tanjonareo a.Lany andro mamorona anzao cinéma isankarazany zao fotsiny nareošš±
š³???
Lozaš¢š¢
Tena oka kosa lele!
Tao aorianāny fisamborana anāny lehibenāny
ARFM dia nofoanana ny hetsika saika atao tao Mahamasinana satria tsy nahazo alalana.
Hita amināizany fa tsy tomponāny taniny intsony ny Malagasy.
Vazaha no tomponāny fahefana. Tsy atao mahakivy izany fa mitohy ny tolona. Ny firaisankina no hery!
... TohinyFintinina
6 CommentsComment on Facebook
Tsy ho avotra mihitsy ty firenena ty mba marina e
Nanomboka oviana moa ny grevy na fitakiana na fihetseketsehana no mila alalana ?
Gouverneur Général de France
Ary mbola nampadohaliana azy izy nanao fanambarana....
Atody tsy miady amam-bato eh , Zandarim-poza tsy maintsy mamoritrà koa, nandray n'y volan'i Rasedy ntsinona koà ,miaro n'y sezany h@ farany
Ataony be boty hein.....
Inona ny heloka nataony? Nanondrana volamena sa bois de rose antsokosoko?Nanao kolikoly? Tsy azo ekena izao. Avohay haingana! ... TohinyFintinina
5 CommentsComment on Facebook
Zay mpampaneno lakolosy rehetra asain' Cédric vazaha Rajoela sy Christian NTSAY samborina daholo Satry manelingelina ny fanindranany n' harempirenena miafina
Ataovy ihany tompoko fa arakaraky ny hamafin'ny herisetra ataonareo no hamafin'ny valikitsaka hahazo anareo!
Ray aman-dreny de sahindry lerony atao anzao,tena kivy pro max ahš¤¦š»āļø
Ny fampiasana hery dia midika fahalemena
Apokay amzay lacrimozenne
21/02/2024- LONDRES- Raharaha Romy Voos Andrianarisoa (tohiny)
Voahelokināny fitsarĆ na britanika amināny kolikoly nataony tamināny Ā« Multinationale britannique Gemfields Ā» ramatoa Romy Voos Andrianarisoa.
Amināny 18 marsa 2024 no hivoaka ny didim-pitsarana.
... TohinyFintinina
9 CommentsComment on Facebook
Hummmm
Izy aza hanaiky higadra irery, hisolo vaika ny akalana anynkoh! Sitra-po fa tsy aretina
Natao sorona izy izany
Raha te ho afaka soaamantsara izy,dia Tokony lazainy ny marina.
Mety tafiditra @ n'io Rajoelina matoa mihezaka mamono lolo ny mpombazy @fb ato sady mety tsy sahy hiteny ny tena marina ry kiala Romy
Ty to antitra be sa tsy le romi io š¤š¤š¤
Aiza kosa Dia Olona 2 fotsiny vé no tafiditra amin'io Angano bé Io ...IZY no trimobe s'y sohitika AO!!!Zao no tena ILAINA n'y PAC s'y n'y bianco!!!sa fehezin'i Trimobe s'y kotofetsy...
Vaovao tsy mari-pototra....ary tsy mampino raha tsy ny viva mihintsy no mamoaka azyš¤£
Aiza kosa e! Aza MBA atao izany!
ASABOTSY 24/02/2024 AMINāNY 9 ORA MARAINA KIANJABENāI MAHAMASINA ANTANANARIVO. FIHAONAMBE HO FIATREHANA NY FIRENENA SY NY ZO AMAN-KASINāNY VAHOAKA. MADAGASIKARA HO ANāNY MALAGASY. ... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Anontanio tsara aloha sao efa nofandrihiny fikambanany zanaka Mapar anaovany fifampiharabàna taona vaovao ny kianja @ io daty ioš¤£
TONGAVA MARO. NY FIRAISANKINA NO HERY.
Kianjabenāi Mahamasina ā Asabotsy 24 Febroary 2024 ā Fihaonambenāny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasināny vahoaka Malagasy
āMalagasy rehetra miara-manangana firenena vanona miaraka amināny Zanaharyā
Ny Antenimieranāny Raiamandreny Foko Malagasy (ARFM), ny fikambanana BAAM (Betsileo, Antesaka, Antandroy, Antanosy, Antandroy, Makoa), ny Grand Sud, ny Triangle du Nord, ny Imerina enintoko sy ny vondronkery mpiaradia, dia manasa antsika vahoaka Malagasy tsy vakivolo rehetra manerana ny Nosy fa tonga ny fotoana andraisana an-tanana ny firenena, hanatontosa fihaonana manoloana ny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasināny vahoaka.
Ny toerana dia eo amināny Kianjabenāi Mahamasina ny Asabotsy 24 Febroary 2024 manomboka amināny 9 ora maraina.
Alefa Madagasikara, Malagasy amināizay!
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2024/02/20240224-ARFM-Mahamasina-Fihaonambe.mp4
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2024/02/ARFM-20240213-TaratasyFampahafantarana.pdf
www.gvalosoa.net/2024/02/18/kianjabeni-mahamasina-asabotsy-24-febroary-2024-fihaonambenny-fiatreh...
... TohinyFintinina
3 CommentsComment on Facebook
āš®š©š²š¬
Aza mihemotra intsony fa tohozo Ilay tolona hatrmin'farany e
Alex Randriamahefa Nampoina Andriamihamina Zakandretsa Randriamihajatina Joseph Ruskin Robeny
ā FILAZANA LOZA MANAMBANA š”(Miloko MAVO) amin'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano SISAONY.
āļøFILAZANA NY FANDEHAN'NY RANO ETO AMIN'NY LEMAK'ANTANANARIVO TAMINāNY 6ORA HARIVA.
Source: APIPA
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
16/02/2024- Toetry ny andro.šš¼ššššš¼ššæšššš¼šš¼ šššš½š¼ šš šš¼šš¼š½šššš¼šš¼š'šš ššššš¼šššš¼šš¼ | 16 Febroary 2024
āāā Hitohy hatrany ny rotsakāorana amināny faritra maro manerana ny Nosy ka tombanana hahatratra 40 hatramināny 100 mm ao anatināny 24 ora any amināny faritra sasany.
ā¶ļøFILAZANA FAMPITANDREMANA : fahabetsahanāny rotsakorana.
ā¶ļøFE-POTOANA : anio 16 Febroary hatramināny 18 Febroary 2024 ho anāny faritra Sofia, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, ny distrikanāi Fandriana, Ambositra ary Manandriana. Ny Sabotsy 17 Febroary hatramināny Alahady 18 Febroary 2024 kosa ho anāi Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana.
ā¶ļøFIANTRAIKANY : fikorontananāny asa aman-draharaha andavanandro, fiandronanāny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaranāny renirano, fihotsahanāny tany.
ā¶ļøFARITRA VOAKASIKA :
šš Filazana fampitandremana miloko mavo: faritra Atsinanana.
šš Filazana fampitandremana miloko maintso: Sofia, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, ny distrikanāi Fandriana, Ambositra ary Manandriana.
Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. āāā
š MĆ©tĆ©o Madagascar
MinistĆØre des Transports et de la MĆ©tĆ©orologie de Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
15/02/2024- Toetry ny andro.šš¼ššššš¼ššæšššš¼šš¼ šššš½š¼ šš šš¼šš¼š½šššš¼šš¼š'šš ššššš¼šššš¼šš¼ | 15 Febroary 2024
āāā Hitohy hatrany ny rotsakāorana amināny faritra maro manerana ny Nosy ka tombanana hahatratra 40 hatramināny 100 mm ao anatināny 24 ora any amināny faritra sasany.
ā¶ļøFILAZANA FAMPITANDREMANA : fahabetsahanāny rotsakorana.
ā¶ļøFE-POTOANA : anio 15 Febroary ho anāi Boeny, Betsiboka, Diana, Sava, Sofia, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Bongolava, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro ary ny ilany atsinananāi Amoronāi Mania. Ny Zoma 16 Febroary ho anāi Atsinanana sy Vatovavy; ny Sabotsy 17 Febroary ho anāi Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana ary ny Alahady 18 Febroary ho anāi Analanjirofo, Atsinanana, ny tapany avaratrāi Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Itasy, Analamanga ary Betsiboka.
ā¶ļøFIANTRAIKANY : fikorontananāny asa aman-draharaha andavanāandro, fiandronanāny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaranāny renirano, firodananāny trano sy fihotsahanāny tany.
ā¶ļøFARITRA VOAKASIKA :
šš Filazana fampitandremana miloko mavo: faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny, Alaotra Mangoro ary ny distrikanāi Maevatanana sy Tsaratanana.
šš Filazana fampitandremana miloko maintso: Sofia, Diana, Sava, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Atsimo atsinanana, ny ilany atsinananāi Amoronāi Mania ary Mandritsara.
Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. āāā
š MĆ©tĆ©o Madagascar
MinistĆØre des Transports et de la MĆ©tĆ©orologie de Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
Madagasikara ā Volamena ā Ho fehezina toy ny lavanila ve ?
Nangonināi Lanzelo
Tsy zohina amināny vahoaka malagasy intsony ny gaboraraka manodidina ny volamena, raha tsy hilaza fotsiny ireo fanondranana tratra tany Afrika Atsimo na tatsy Nosy Kaomaoro. Tamināny taona 2020 anefa dia nofoanana ny halalana manondrana volamena ivelanāi Madagasikara entina hanadiovana ny tontolo manodidina ny volamena āhonoā satria tsy miverina eto amināny firenena ny vidināireo volamena voaondrana. Kinanjo inona no zava-mitranga fa niha-nahazo vahana ny fanondranana antsokosoko ary tsy mety voasambotra mihitsy ireo tambozotra izay fantatra fa miray petsapetsa amināizao fitondrana fozaorana izao.
Tamināny taona 2022 dia nofaranana ilay fanafoanana. Ankehitriny dia kasaina ho sokafana amināny āfomba ofisialyā ny fanondranana volamena, ka miisa enina ireo orinasa omenāny fitondrana halalana manao izany. Ao amināny āMining Business Centerā ao Ivato no misy ny āguichet uniqueā izay toerana tokana tsy maintsy handalovanāireo orinasa manomana ny fanondranana volamena.
Ireto avy ireo orinasa mahazo manondrana volamena:
ā Madagascar Mining Co, anāi Sylvain Rakotondramazava
ā Madgama International Group, anāi Abdul Majeed Atamutty
ā Gold Trading, orinasa misoratra ao Antsiranana, anāny frantsay Bernard Soufou
ā Classic Real Stones, anāi Henintsoa Rakotojanahary sy Marie Manampisoa
ā Catalyst Capiral Partner, anāi Anil Gulshan Lal Bindra
ā SOA Gold, nitsangana tamināny taona 2021, anāi Sylvain Rabetsaroana, loholona teo aloha, mpanolotsaina akaikināi Mamy Ravatomanga.
Ity orinasa farany ity no mampanahy ireo mpandraharaha ao anaty ny tontolonāny harena an-kibonāny tany noho ny tranga niseho tanaty ny tontolonāny lavanila. Tamināizany no nampiasa i Mamy Ravatomanga entina hifehezana ny tsenanāny lavanila ka nosakanany ny fanomezan-dalana ireo mpanondrana. Mitohy hatrany ny asanāny fozaorana.
(Africa Intelligence, 8/2/2024, āMadagascar ā Or : la short list des entreprises autorisĆ©es Ć exporterā)
www.gvalosoa.net/2024/02/08/madagasikara-volamena-ho-fehezina-toy-ny-lavanila-ve/
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Traffic légalisé no atao ka ! Efa nandefa 1,300 T de tsy misy réactions ny vahoaka de légaliser na amin'zay !
Tena marina! Famefena maloto sisa ny lokonāny saina Malagasy. Vazaha marina no mitondra....
By Tia Tanindrazana
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
metsy tsy nieritreritra izany akory izy angamb eee
ššš ššššššš Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona ššššš ššš ššš ššššššš'šš ššššš'šš šš šššššš.
āŗHampiakarina eny amin'ny HCC ny raharaham-pitsarana momba azy araka ny didy savaravina navoakan'ny fitsarana androany. Mihemotra amin'ny 12 martsa araka izany ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha anenjehana azy.
Herintaona sazy miantona kosa ny sazy ho an'ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy. Tsiahivina fa voatazona am-ponja vonjimaika ny dimy tamin'izy ireo.
Ā©ļø I-BC News
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Io zao lalaovina Dia andrasana tapitra mandat izy tsisy immunité tsony de midoboka amnzay avy eo
Raharaha Berija Ravelomanantsoa.BERIJA RAVELOMANANTSOA
NIVOAKA NY FONJA ANDROANY
Nivoaka ny fonja rehefa nanefa sazy 44 volana teny Antanimora. Tapitra ny sazy 44 volana nitazomana azy tao amin'ny amponjanāAntanimora nanomboka ny volana jona 2020, nivoaka androany Ravelomanantsoa Be-Rija. Fanehoan-kevitra tamināny tambazotra sosialy Facebook, tamināny fotoanan'ny Covid-19 ireny no nanenjehana azy ho maniratsira fitondram-panjakana sy nanakorontana saim-bahoaka.
(sary indramina)
... TohinyFintinina
2 CommentsComment on Facebook
Arabaina fa tafavoaka soamatsara ššš
Arahabaina tompoko tafavoaka SOA aman-tsara .!
06/02/2024- Raharaha Romy Voos Andrianarisoa (tohiny).
Miakatra fitsarana androany any Londres ramatoa Romy Voos Andrianarisoa.
Voatonona tamināity raharaha kolikoly avo lenta ity ny anaranāi Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga.
Nilaza ny mpisolovava fa mahafantatra tsara io raharaha io Andry Rajoelina ary voahiraka aminā izany ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Ho fantatsika eo ihany ny tohiny.
... TohinyFintinina
30 CommentsComment on Facebook
Hamarino tsara
Tompo o. Asahehoy ny marina. Reseho. Ny. Ratsy. Vonjeo ny fireneko. Amen
Miandry ny Vaovao tena izy.
Andriamanitra ô Ireo mpangalatra mpanodikodim-bolam-bahoakam-bahoaka mampitondra faisana ny Malagasy faizo-nao. AMEN
Miandry zay fivoaran'ny raharaha zahay madinika
Tsy mazava!!!!! Makany ve Andry Rajoelina sy Mamy ravatomanga sa tsia.
Tokony tonga dia samborina dia gadraina raha izany
Izay manao ny tsy mety dia aoka mba hahazo sazy sahaza izay nataony. Aleo hivoaka ny marina
Miandry ny rariny e
gadrao fa manimba ny tany
Miandry isika vahaoka malagasy rehetra
Tokon' ho vosirina mintsy le mpanimba tanindrazana.
Miandry fatratra ny vaovao izahay ary tena manantena fa hivoaka ny marina !
Enganie mba tsy itovy ny fitsarana eto M
koa Rajoely aza eto dago tsy vonona ny ho any akory angamba ko inona no eo nareo falifaly nefa izy tsy taitra akory io mdm io te ho any eo ko
Miandry vao2 aviany mihitsy ô
Efa zan fona ny vaovao heno fa d miandry izay tohiny zan ny vahoaka
Miandry fa gasy e
IRETO IZANY ILAY KOLIKOLY SY LAINGA TONGA NOFO
Ny foza ihany disa no tsy mahalala na minia tsy mahalala io vaovao io.
Hafaliana Razafimandimby aon ty š
DIA AHOANA NY TOHINY???
Miandry tohiny
Ry mafia isany
Miandry daolo zan
ARFM ā Tolona famerenena ny tany ho anāny Malagasy ā Antaninarenina ā Hanomboka talata 6 febroary ny fitokonana faobe
Ny Valosoa
Mijoro, sahy ary miroso ireo raiamandreny avy amināny ARFM (Antenimieranāny Raiamandreny sy Foko Malagasy), mitarika sy miantso ny Malagasy hiray hina hanafaka anāi Madagasikara ao anaty ity gejanāny fanjanahantany ity hanangana firenena vaovao.
Rahampitso 6 febroary no manomboka ny fampiatoana ny raharaham-panjakana, ka āservice minimumā no tokony ho ataonāny mpiasam-panjakana. Mila mijoro ny sendikalista, ireo hery velona rehetra ary ny olompirenena ho tombontsoanāny firenena. Fitakiana ao anaty fitoniana no atao. Fanatsaharana ny rĆ latsaka nanomboka ny taona 1947 no manomboka izao.
Manomboka eto Antananarivo ny hetsika rahampitso talata ary mitohy ny alarobia arahina hetsika fitakiana faobe. Nohamafisināizy ireo fa tsy korontana no tadiavina fa fakana ny fahefana ho anāny Malagasy. Tsy hisy ny fifandonana ary tsy fanonganam-panjakana no atao fa famerenena ny fahefana ho anāny Malagasy tompontany.
Hoy ny raiamandreny NoĆ«l Rakotondrasoa, filohanāny ARFM: āTsy maintsy izay no lalana izorana satria raha tsy misy hetsika dia tsy afaka isika. Sahala amināizany ny tamināny tolom-panafahana 1947, nisy ny famonoana olona, nisy ny fanatrehana ady mafana. Tsy maintsy miaraka miatrika ady isika fa tsy vitanāolombitsy io. Raha tsy maro no miray hina dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana io.
Izay no antony hoe handao avotana ny tanindrazantsika. Fa rehefa avotra ny tanindrazantsika dia ho alamintsika ilay izy, diovintsika ny firenena, manangana fanjakana vaovao isika ary isika no manao azy.
Miantso ny sendikalista, ny Malagasy mahatsapa fa tomponāi Madagasikara sy tia tanindrazana izy ireo hiaraka hanamafy ny tolona atao. Iray ihany ny tanjona, dia ny amaranana izao repoblika faha-efatra izao hatramināny 29 marsa.
Ny sendika sy ny vondrona sendikaly, ny fikambanana rehetra, na mpanao politika na tsotra, dia angatahana ho tonga eny. Ary indrindra indrindra ireo raiamandreny izay mbola manina ny maha-malagasy azy sy mahalala fa marina izao zavatra atao izao, dia ho tong amaro any Antaninarenina.
Esory ao an-tsaina ny fieritreretrana hoe hangataka halalana amināny āprĆ©fet de policeā ny tompony. Tsy mangataka halalana amināny āprefer de policeā ny tomponāny tany. Ny raiamandreny no mandidy manapaka, ny raiamandreny no miteny amināny tany sy ny fanjakana. Dia asaina ny vahoaka rehetra eny manomboka rahampitso. Fa raha mbola Malagasy manana raiamandreny, ka mahalala fa masina ity tanindrazana ity, tsy hisy hanana eritreritra hisambotra anay izany. Satria iza no hisambotra raiamandreny. Ny fisamborana anay dia midika ho fisamborana anāi Madagasikara satria foko no itondranay azy ity. Ny tahotra dia tsy misy na kely aza.ā
Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy ny fitetezana ireo foko sy faritra manerana ny Nosy ary nazahoanāireto raiamandreny ireto tsodrano ho amināny fitarihana izao tolona izao.
MBS Youtube
www.youtube.com/live/f391NlT8yhk?t=370
MBS FB
www.facebook.com/share/v/WiHuE7EGc3Mpiiq6/?mibextid=WC7FNe
www.gvalosoa.net/2024/02/06/arfm-tolona-famerenena-ny-tany-ho-anny-malagasy-antaninarenina-hanomb...
... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Ady ho an'ny taranaka zao,mankasitraka anareo ray aman-dreny!
Mankasitraka anareo raiamandreny. Mitohy ny tolona.
Raikitra. Vonona aho
zay vao azoko mahatonga CHOLERA hankalazaina be
Raiamandreny ARFM
Mitaona ny vahoaka ho tonga eny Antaninarenina manomboka rahampitso 06/02/2024 fa hanangana firenena vaovao isika.
Madagasikara anāi Malagasy. Mitohy ny tolona.
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
#Rajoelina - FITONDRANA VERY FANAHY
la1ere.francetvinfo.fr/mayotte/madagascar-des-secretaires-d-etat-recrutes-par-petites-annonces-14...
... TohinyFintinina
3 CommentsComment on Facebook
Vazaha anie raprez e,
Ny hendry mody adala… š Asandrato ny vendrana ry Cédric vendrana a!
Des dizaines de secrétaires ? À quoi ça sert ! LOHAMALEMY !
Sokafana indray ny sidina avy any
Comores.
Hampidirana tsara ny cholƩra sy hitakiana fanampiana indray ve?
... TohinyFintinina
34 CommentsComment on Facebook
Aminy zay mahazo fanampiana Sy Excusez de tsy afody
Excuse vao2 zan
Indrisy fa ny vahoaka no mibaby ny tsy zakany, fanafody sy fitsaboana mampiteny ny moana eto
Mazava oazy fa zara aza misy aretina mba hidirambola
Excuses mandritra ny 5 taona manaraka nisy valan'aretina choléra
De ny cholèra no omena tsiny raha tsy tratra ny fampanantenana natao
Zarany aza misy anio angatahany vola ndray ko
Efa tena mirary an-foga kosa ry zareo zany an!
Tena rah sanatria tafiditra eto zany d tena ratsy vintana mintsy ny miaraka amty rajoelina tyš„²š
Tsy mahagaga ny vahaolana mety aminy
Sitrany Hay mba misy zavatra aniliana n'y asa tsy vita sy hitadiavam- bola
Ohatran izao mhtsy tamin ny covid, d tsy taitra akory raprezy hiteny hoe mosy cholera
Efa cinéma mahazatra,otran'ny tantaran'ny covid
Ka le fako eto amintsika mitangorona ireo izany tsy mahavoa an ny cholera ve?
Tsy oe manozona fa zany mintsy ko nefa, Enga anie izay tompon'antoka @ fampidirana anzany eto no iharany voalohany! Mafy ny manjo ny tsy manantsiny manko
Film efa mahazatra io,sitrany ahay
Ny vahoaka madinika foana no mizaka ny tsy eran'ny aina @ nazy ty
Mampatsiaro n'y tenin'ilay Minisitra iray izay ššš
Efa mazava io fa hampidirina eto
De avy eo nohon'ny choléra tany Comores indray tsy nahavitan-dry tsy maintsy mandroso ny fampandrosoana
Zay mihints le style de aveo mahazo VOLA be fanampiana de akepoka n fanampiana aveo fa 20% ihan no mody zaraina hoan le Ambany Tanana mpifidy
Tena marina
Fitondrana sampona hatramin'izay nipoirany teto dago io '
Kah ry zareo ef niteny hoe tsy ampafirin'ny Choléra io,dikany ny Choléra mhts izany no tokony hiditra eto .š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£š¤£
Io mihitsy no lazain'ny rehetra na mpangalatra sy mpanendaka aza manaiky fa hangalana fanampiana no hampidirana io!
03/02/2024-BEMASOANDRO IMERIKASININA ... TohinyFintinina
6 CommentsComment on Facebook
šššš
Mafinaritrà foana isika hatr@ izay mankasitraka rht Dada owa milay
šššš
Makasitraka tompoko mafinaritra ny firasakina tohizo fa tsara e e !
Tokony tam fotoagnany propagande igny ny antoko TIM nanao otrany io
Miarady aminao zahay ešÆ
Foza orana be fialonana, be fankahalana, mpamotika fa tsy mpanangana.
Mankahery anao Andry Raobelina.
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
Mila diplaoma ve ny Ā« contrĆ“leur de commerce Ā»?FANDREFESANA KAPOAKA TAO FIANARANTSOA
Nanao fandrefesana kapoaka tao fianarantsoa ny ContrƓleur de Commerce.
... TohinyFintinina
3 CommentsComment on Facebook
miasa ny enjana
Fa maninona ary no ny kapoaka eny @ mpivarotra antsinjarany no kianina kanefa ilay kapoakan'ny Socolait mihitsy ihany koa ange no hafahafa raha mijery tsara ianareo e š¤£ somary mihakely izay izy io, ka raha tianareo hitovy ny haben'ny kapoaka dia ny SOCOLAIT aloha contrôler-na ary vao mizesta werawera eny @ mpaninjara ianareo, kony an !
Ny vidiny vary anie no miakatra fa tsy ny kapoaka no mihena .mety ho tezitra rah hiteny ny olon oe marary saina
Iza ny tomponāandraikitra tamināity raharaha ity? Mpamono olona ianareo.
Mirary fiononana feno ho anāny fianakaviana izahay.
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
Fa ahoana? Miandry ny tohiny isika. ... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Mitadiava toerana hafa e,am'zay tsy voaelingelina intsony.
De tsy maintsy tongavana tampoka ve fa tsy azo atao ny miresaka mialoha , sa zay mintsy le fomba fiasa, nefa ny bdr tratra tany Tanzanie toa otrany mangina nareo,misy farany io e
Mialona le formations ataon'ny ARB ry zareo !
FIALONANA MAZAVA BE IZAO IO.
Antso avo ho anāny Malagasy
Madagasikara anāny Malagasy. Tsy ekena ny fitondrana vazaha. Fanavotana tanindrazana ity. MiomĆ na, miraisa hina hiatrika ny fahavalom-pirenena. Ny raiamandreny (ARFM) no hitarika.
... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Kkkk aza mba mapme Ranga . Ndao e!!
Aiza ireo chefs de guerre tamin'ny 2002?
Samia misikina e
Ref nareo n eo anoloan d manarak zay e
ARFM ā Ho faranana alohanāny 29 Marsa ny tolona tamināny 1947 ā Hafatra ho anāny Foloalindahy sy ny FitsarĆ na dimy tonta
Ny Valosoa
Nitondra ny teny famaranana ny raiamandreny NoĆ«l RAKOTONDRASOA, filohanāny ARFM (Antenimieranāny Raiamandreny ara-Foko eto Madagasikara) taorianāny fivoriambe nokarakarainy teny Ankadikely Ilafy FOFIKRI nandritra ny 30 sy 31 janoary lasa teo. Tamināizany no nifampiarahabĆ na ny taona vaovao sy nandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny lalana tokony hizoranāi Madagasikara ary hamaranana ny tolom-panafahana izay natao tamināny 1947. Ka ho averina amināny Malagasy i Madagasikara. Mila mivonona amināizany ny Malagasy. Tsy fanonganam-panjakana fa vonjy rano vaky ho fanavotana ny firenena no atao.
āNifarana androany 31 janoary 2024 ny fihaonanāny raiamandreny natao teto Ankadikely Ilafy FOFIKRI handinihana ny amināny Tanindrazana.
Fehinkevitra tokana no ambara amināny vahoaka Malagasy indrindra indrindra ary ihany koa mira baiko ho anāizay rehetra mandre fa tsy maintsy raisina an-tanana ny Fanjakana Malagasy, averina amināny Malagasy i Madagasikara tanindrazanāny Malagasy. Malagasy amināizay no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana.
Mazava izany fa manomboka masina androany, dia efa mivonona isika fa haka ny Fanjakana eo am-pelantananāny Vazaha. Tsy omena ny fitondrana vazaha i Madagasikara, fa i Madagasikara dia anāny Malagasy ka ny Malagasy no masi-mandidy amināny taniny.
Ka na iza na iza mandre izao dia aoka tsy hihevitra azy ho fanonganam-panjakana fa fanavotanana tanindrazana ity, ary anaovana antso avo anāny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy, vonjy rano vaky hamonjena ny Tanindrazana izao. Koa miraisa hina, mifankatiava, mihavĆ na, reseo ny fahavalo fa samy lehilahy, isika no tomponāny tany ka tsy maintsy isika no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana, fa tsy amidy amināny vazaha na oviana na oviana i Madagasikara.
Ho anāny rehetra ao anaty ny Foloalindahy, raha tena ho anāny Tanindrazana marina ianareo, dia manaova āconseil des Ć©tats-majorsā, mandiniha anāizao resaka izao fa tsy maintsy averina amināny Malagasy i Madagasikara. Ary ianareo no hanongotra azy eo am-pelantananāny Menasofina.
Faharoa manarakaraka ihany koa, mieritrereta ianareo fianakavianāny FitsarĆ na dimy tonta, handinika mahakasika ny Firenena ara-drariny sy am-pahamarinana, fa i Madagasikara tsy avelanāny tompony eo am-pelantananāny vazaha intsony. Tsy maintsy miverina amināny Malagasy ary tsy maintsy mifarana manomboka androany ny tolom-panafahana 1947.
Koa dia miomĆ na Ć ry tompoko, misikƬna fa hiatrika ny fahavalom-pirenena, hanongotra ity tany ity hamerina azy amināny tompony. Mankasitra, mankatelina, masina ny Tanindrazana. Ho ela velona i Madagasikara. Mandady izy ankehitriny fa tsy ho avela handady intsony.
Samia mampita ny hafatra. Raha fantatrareo fa marina izany dia miraisa hina. Handao avotana ny Tanindrazana fa izahay raiamandreny no mitarika izany. Mankasitra sy mankatelina tompoko.ā
MBS vaovao 31jan2024
āhttps://www.youtube.com/live/g-o_1V-cO_w?t=681
MBS vaovao 30jan2024
āhttps://www.youtube.com/live/ZWqEJXMRqHU?t=1050
MBS vaovao 29Jan2024
āhttps://www.youtube.com/live/DfAK69ppq9k?t=535
www.gvalosoa.net/2024/02/02/arfm-ho-faranana-alohanny-29-marsa-ny-tolona-taminny-1947-hafatra-ho-...
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Jesosy o vonjeo zahay MalagasiNAO šš
Radio MBS